a
FandraisanaSportANTSOHIHY : HIROSO AMIN’NY FAMPANARAHAN-DALÀNA MIFEHY NY FIFAMOIVOIZANA AN-TAMPON-TANÀNA NY TOMPON’ANDRAIKITRA

ANTSOHIHY : HIROSO AMIN’NY FAMPANARAHAN-DALÀNA MIFEHY NY FIFAMOIVOIZANA AN-TAMPON-TANÀNA NY TOMPON’ANDRAIKITRA

ANTSOHIHY : HIROSO AMIN’NY FAMPANARAHAN-DALÀNA MIFEHY NY FIFAMOIVOIZANA AN-TAMPON-TANÀNA NY TOMPON’ANDRAIKITRA

 Nanomboka omaly 21 Septambra 2022 ny atrik’asa ‚ fifampizarana traikefa ‚ fampahatsiahivana ireo lalàna sy mpitsopitsony mifehy ny fifamoivoizana eto Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia . Nantsoina manokana niatrika izany ireo mpamily TAXI VILLE eto Antsohihy sy ireo misehatra amin’ny TAXI MOTOS.

 Maharitra telo andro ny dinika hitondrana fanatsarana ‚ mba hamaly ny filàn’ny vahoaka mpanjifa . Nilaza ny fahavononany hanaja sy hanome fahafaham-po ny vahoaka ao anaty fanarahan-dalàna ny sendikan’ny TAXI-VILLE sy TAXI MOTOS eto Antsohihy.

Ny kaominina ambonivohitry Antsohihy no nikarakara ny hetsika izay notronin’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny ATT ‚ VISITE TECHNIQUE ‚ POLICE …
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment