a
FandraisanaSosialyMAHAJANGA : NOMARIHIN’NY “ RÉSEAU DES JEUNES DÉFENSEURS DES DROITS HUMAINS ” TAMIN’NY FOMBA MIAVAKA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HOAN’NY FANDRIAMPAHALEMANA

MAHAJANGA : NOMARIHIN’NY “ RÉSEAU DES JEUNES DÉFENSEURS DES DROITS HUMAINS ” TAMIN’NY FOMBA MIAVAKA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HOAN’NY FANDRIAMPAHALEMANA

MAHAJANGA : NOMARIHIN’NY “ RÉSEAU DES JEUNES DÉFENSEURS DES DROITS HUMAINS ” TAMIN’NY FOMBA MIAVAKA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HOAN’NY FANDRIAMPAHALEMANA

Tsy afaka ny handroso ‚ mikoroso fahana makany amin’ny ratsy kokoa ary miha potika sy tsy misy endriny tanteraka ny firenena tsy mandry fahalemana na mikorontana ‚ miseho amin’ny endriny maro izany eny anivon’ny fiarahamonina . Mba hisiany filaminana sy fitoniana ary indrindra ny fandriampahalemana ao Mahajanga dia nisy ny hetsika manokana nataon’ny tanora ‚ mivondrona ao amin’ny ADDHM (association de défenseur des droits humains Mahajanga) , tanora studio sifaka, OBS-mada, Observatoire des droits humains ‚ androany 21 Septambra 2022 ‚ nanamarihana ny « ANDRO IRAISAM-PIRENENA HOAN’NY FANDRIAMPAHALEMANA ».

Nisy ny adina am-bava ( micro – trottoir ) natao sy nakana hevitry ny olom-pirenena momba ny fahitana ny fandriampahalemana ao Mahajanga ‚ fizarana taratasy mirakitra ny zon’olombelona sy fampahafantarana ny momba izany ary fanadiovana ny manodidina ny toeram-pitsangatsanganana ao amin’ny “ Bord Mahajanga ” . Raha ny fintinina ny volazan’ny olom-pirenena izay nanontaniana dia mirongatra ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara ‚ tsy mitovy amin’ny taloha ( amin’izao hatramin’ny zaza varira misy mangalatra ‚ … ) fa na izany mbola azo lazaina milamina ny tanànan’i Mahajanga raha ampitahaina amin’ny faritra hafa . Hitohy hatrany ny hetsika ary hanampy sy hanamafy fahalalan’ny tanora ny adidy sy ny andraikiny ary ny zòny ireto vondrona ireto aorian’izao hetsika izao . Tsy niala lavitra teo ny kaominina ambonivohitry Mahajanga ‚ ny tetik’asa Rari-Aro Mada … Nanampy ireto tanora ireto.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment