a
FandraisanaVaovaom-paritraSAMBOARAVOARA EO AMIN’NY FIARAHAMONINA ‚ ANTSOHIHY : NAHIDITRA AM-PONJA ILAY TOVOLAHY NOTONDROINY ANAMBAVINY HO NIDAROKA AZY▪️SAFOTRA TAO ANATY BIRAON’NY FITSARANA NY RENINY IZAY MBOLA TSY MAHATSIARO TENA

SAMBOARAVOARA EO AMIN’NY FIARAHAMONINA ‚ ANTSOHIHY : NAHIDITRA AM-PONJA ILAY TOVOLAHY NOTONDROINY ANAMBAVINY HO NIDAROKA AZY▪️SAFOTRA TAO ANATY BIRAON’NY FITSARANA NY RENINY IZAY MBOLA TSY MAHATSIARO TENA

SAMBOARAVOARA EO AMIN’NY FIARAHAMONINA ‚ ANTSOHIHY : NAHIDITRA AM-PONJA ILAY TOVOLAHY NOTONDROINY ANAMBAVINY HO NIDAROKA AZY▪️SAFOTRA TAO ANATY BIRAON’NY FITSARANA NY RENINY IZAY MBOLA TSY MAHATSIARO TENA

 Hatairana no nandrenesan’ny Renin’ity tovolahy ity raha voaheloka ‚ hisazy 06 andro an-tranomaizina izy ary 15 andro an-tranomaizina kosa ny zanany izay notorian’ny anambaviny izay zanaka nateraky Ramatoa ihany . Safotra noho izany tao anaty biraon’ny fitsarana ‚ tokony ho tamin’ny 04Ora sy sasany mahery ny tolakandro teo izy ka nifamonjena sy nohentina haingana tany amin’ny hopitaly be Antsohihy ‚ tsy mbola mahatsiaro tena hatramin’ny 07Ora sy sasany ariva ‚ fotoana izay nandalovany mpanao gazety teny.

Somebiseby ary sahirana tanteraka araka izany ny fianakaviana : vonjena ny fikarakarana sy fanarahamaso ilay Renim-pianakaviana marary any amin’ny toeram-pitsaboana ‚ vonjena ny fanaterana sakafo any am-ponja.

Raha tsiahivina ny tantara dia nondroin’ity vehivavy bevohoka ity ho nidaroka azy ilay anadahiny ‚ rehefa tonga hanaraka ny zanany ‚ izay nandositra noho ny daroka mafy nahazo azy ‚ nataon-dreniny tany amin’ny Renibeany ( dadiny ‚ Reny niteraka ilay vehivavy bevohoka ) . Voatory ihany koa ny Reniny izay voalaza ho mandrangitra ilay zafiny vavy ka voasazy 06 andro . Voasazy 06 andro ihany koa ilay vehivavy bevohoka ‚ voalaza ho nanao herisetra tamin’ny zanany vavy mbola tsy ampy 18 taona.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment