a
FandraisanaVaovaom-paritraRAHARAHA ANTSAKOABE : MITODIKA ANY AMIN’NY FITSARANA ANALALAVA NY MASON’NY MPANARA-BAOVAO

RAHARAHA ANTSAKOABE : MITODIKA ANY AMIN’NY FITSARANA ANALALAVA NY MASON’NY MPANARA-BAOVAO

RAHARAHA ANTSAKOABE : MITODIKA ANY AMIN’NY FITSARANA ANALALAVA NY MASON’NY MPANARA-BAOVAO

 Raha tsy misy fihovana sy fihemorana tampoka sahala amin’ny teo aloha dia hatao rahampitso 20 Septambra 2022 ny fitsarana ny raharaha ‚ tetik’ala mihoapampana sy fandripahana ala arovana Antsakoabe ‚ kaominina Angoaka-Sud Distrikan’i Analalava.

Olona 05 no voatondro ho tompon’antoka amin’izany raha ny fanazavana ‚ milaza ho nahazo alalana sy manana taratasy afahana manao tetik’ala ao anaty ala arovana izy ireo ka maniraka olona ampolony maro karamaina mba handripaka ny ala afahana mamboly katsaka.

Manohitra sy mitaky fandraisana fepetra hentitra momba izany ny fokonolona ifotony ‚ noho izy ( ala arovana ) mitana ny ranon-tany sy nofon-tany tsy hiraraka amin’ny tanimbary ‚ eo ihany koa ny fisian’ny loharano izay manondraka tanimbary izay foto-pivelomany mponina aman-drivony . Mandohalika aminareo fitsarana sy manampahefana izahay mba hanafay sy handray fepetra hentitra amin’ireo mamotika ny alanay izahay ‚ hoy ireo sojabe niantso ny fitondram-panjakana mahefa.

 Ny loharanom-baovao avy an-toerana no nahafantarana fa efa noraràny tompon’andraikitra sy namoahana taratasy mampitsahatra fanadiovana tanim-boly izay fikafika nahazahoana taratasy nolazainy fa afahany mandripaka sy manao tetik’ala mihoapampana saingy tsy tana izy ireo fa nanohy hatrany ary hanohy hatrany raha ny resaka miely . Misy tokoa ve izany tsy maty manota izany eto Madagasikara ? Andrasany maro ny tohin-draharaha fa indrindra ny didim-pitsarana rahampitso.

Matoky ary mametraka fitokisana amin’ny fitsarana ‚ nilaza ny fahavononany hiarahiasa hatrany amin’ny tompon’andraikitra miaro ny tontolo iainana fa indrindra amin’ny fiarovana ireo ala sisa tsy ringana miaraka amin’ireo Biby maro ao anaty ny Tanora sy ny fokonolona ifotony izay tohanan’ireo sojabe ao an-tanàna Antsakoabe.
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment