a
FandraisanaToekarenaPAOLO RAHOLINARIVO : BETSAKA IREO « DÉLÉGUÉ » TSY MANANANA DIPLOMA SY TSY NANITSAKA SEKOLY ( INFA ) KA MANDOTO RANO

PAOLO RAHOLINARIVO : BETSAKA IREO « DÉLÉGUÉ » TSY MANANANA DIPLOMA SY TSY NANITSAKA SEKOLY ( INFA ) KA MANDOTO RANO

PAOLO RAHOLINARIVO : BETSAKA IREO « DÉLÉGUÉ » TSY MANANANA DIPLOMA SY TSY NANITSAKA SEKOLY ( INFA ) KA MANDOTO RANO

 Mitohy ny fanehoan-kevitra ataon’i Paolo RAHOLINARIVO ‚ Filohan’ny SYNAD manoloana ny resa-be ao amin’ny faritra Bongolava . Nambarany fa betsaka amin’ireo lehiben’ny boriborin-tany ( Délégué ) no tsy manana diploma sy tsy nanitsaka sekoly manofana olona hanao izany ( INFA ) fa olona tsotra notendreny mpanao politika sy fianakaviana nampidirina hiasa ao . Mandoto rano izy ireny ary tsy mahafehy ny asa nasaina nataony ka anisany mimpetraka ho olana eto Madagasikara ‚ hoy izy tao amin’ny RADIO Antsiva

Raha tsiahivina ‚ fitakiana vola mihoapampana ataon’ny « délégué » sasany miasa ao amin’ny faritra Bongolava no nampitaraina ny vahoaka eny ifotony ‚ Tafakatra hatramin’ny 100 000Ar na iray hetsy Ariary ny vidin’ny Bokin’omby iray any an-toerana ‚ raha ny fanazavana nataon’ireo fikambanana Ben’ny tanàna ‚ izay nitaky ny hanesorana an’ny Préfet . Nilaza ho tsy miaray petsapetsa amin’ny ratsy moa i Paolo ary vonona hiaro ireo mpikambana miaraka aminy izay mijoro amin’ny fahamarinana amin’ny fanaovana ny asam-bahoaka.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment