a
FandraisanaVaovaom-paritraKETRIKA MALOTO SY MAMBOTRY VAHOAKA : FIPARITAHANY SOLIKA MIFANGARO ( PÉTROLE + GASOIL )▪️VOATONDRO HO TOMPON’NY KETRIKA NY MINISITRY NY MPONINA SY NY SEKRETERA NASIONALIN’NY TGV TOAMASINA NO FILOHA LEFITRY NY ANTENIMIERAM-PIRENENA ‚ MIARAKA AMIN’NY FIANAKAVIAN’NY FILOHAM-PIRENENA

KETRIKA MALOTO SY MAMBOTRY VAHOAKA : FIPARITAHANY SOLIKA MIFANGARO ( PÉTROLE + GASOIL )▪️VOATONDRO HO TOMPON’NY KETRIKA NY MINISITRY NY MPONINA SY NY SEKRETERA NASIONALIN’NY TGV TOAMASINA NO FILOHA LEFITRY NY ANTENIMIERAM-PIRENENA ‚ MIARAKA AMIN’NY FIANAKAVIAN’NY FILOHAM-PIRENENA

KETRIKA MALOTO SY MAMBOTRY VAHOAKA : FIPARITAHANY SOLIKA MIFANGARO ( PÉTROLE + GASOIL )▪️VOATONDRO HO TOMPON’NY KETRIKA NY MINISITRY NY MPONINA SY NY SEKRETERA NASIONALIN’NY TGV TOAMASINA NO FILOHA LEFITRY NY ANTENIMIERAM-PIRENENA ‚ MIARAKA AMIN’NY FIANAKAVIAN’NY FILOHAM-PIRENENA

Niely ary nahoraka teto Madagasikara ny fisian’ny solika mifangaro ( pétrole sy gasoil ) amidy eny amin’ny mpanjinjara solika maro samihafa ‚ betsaka ireo nahatsikaritra izany ka velon-taraina ‚ nisy ny fanadihadiana natao ifotony ‚ izay nahatratran’ny zandary olona 06 ‚ mpamily sy mpanaramaso trano fitehirizana ary mpitondra zerikanina ( bidon ).

Maniry ny hamongorana ny tambazotra sy ati-doha tompon’ny ketrika amin’io afera maizina io ny mpanjifa sy mpanara-baovao ary tsy akepoka sy tsy asiana tohiny mazava sahala amin’ny raharaha volamena nivadika vy sy ireo maro mbola mahabe resaka hatramin’izao.

Namoaka ny anaran’olona ambony ny « La gazette » androany 19 septambra 2022 . Anisany voaresaka sy voatonona ho tompon’ny ati-doha niketrika izao fomba ratsy izao ny Minisitry ny mponina amperinasa sy ny Depiote voafidy tao Toamasina voalohany sady sekretera nasionalin’ny Antoko TGV Toamasina no filoha lefitry ny antenimieram-pirenena ao amin’ny faritanin’i Tomasina ‚ Minisitry ny mponina teo aloha ‚ miaraka amin’ny olona iray voalaza ho misy rohim-pihavanana amin’ny vady andefomandrin’ny Filoham-pirenena…

Niteraka resa-be ny famoahana izany vaovao izany ka tonga hatramin’ny fanomezana 72 Ora ‚ hoan’ilay gazety namoaka io vaovao io mba hitondra porofo hanamarina izany ‚ ny Talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny mponina Yan Wilfried Ramananirina . Nilaza ho miombon-kevitra amin’ity fe-potoana navoaka ity ny talen’ny kabinetran’ny VPN Toamasina . Andrasan’ny maro ny mety ho tohin-draharaha.
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment