a
FandraisanaNon classéFAMPAHAFANTARANA NY LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA : REHEFA HAKA NY « CERTIFICAT DE NATIONALITÉ MALAGASY

FAMPAHAFANTARANA NY LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA : REHEFA HAKA NY « CERTIFICAT DE NATIONALITÉ MALAGASY

FAMPAHAFANTARANA NY LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA : REHEFA HAKA NY « CERTIFICAT DE NATIONALITÉ MALAGASY

Rehefa haka ny Taratasy fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena malagasy na « certificat de nationalité malagasy », isika dia tsy maintsy manaraka paik’ady voalaza etsy ambany sy mitondra ireo taratasy rehetra ilaina amin’izany.

PAIK’ADY ARAHINA :
👉 Manao taratasy fangatahana “certi¬ficat de nationalité” izay alefa amin’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany misy ny toeram-ponenan’ny mpangataka,
👉 Aterina ao amin’ny biraon’ny Sekretera manokan’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ny fangatahana ary ampiarahina amin’izany ny antotan-taratasy ilaina sy ny porofo rehetra.
IREO ANTONTAN-TARATASY AMPIARAHANA AMIN’NY FANGATAHANA :
👉 Kopian’ny sora-pahaterahan’ny mpangataka,
👉 Kopian’ny bokim-pianakavian’ny Ray aman- drenin’ny mpangataka (tsara raha vita fanamarinana tany amin’ny Firaisana) na sora-panambadian’ny Ray aman-drenin’ny mpangataka,
👉 Taratasy fanamarinam-ponenan’ilay mpangataka
MISY SARANY VE NY FANAOVANA AN’IZANY ?
Misy sarany roa arivo Ariary (2000Ar) ny fangatahana.
Fanamarihana : Tsy mandeha fotoam-pitsarana na « audience » ny fangatahana « Certificat de Nationalité Malagasy » fa rehefa ampy tsara ny porofo rehetra manamarina fa mizaka ny zom-pirenena Malagasy ilay olona izay mangataka dia efa afaka manome izany ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment