a
FandraisanaPolitikaPAOLO RAHOLINARIVO : MIHEVITRA ANAO HO IZA MOA IANAO RY GOVERNORAN’NY BONGOLAVA

PAOLO RAHOLINARIVO : MIHEVITRA ANAO HO IZA MOA IANAO RY GOVERNORAN’NY BONGOLAVA

PAOLO RAHOLINARIVO : MIHEVITRA ANAO HO IZA MOA IANAO RY GOVERNORAN’NY BONGOLAVA

 Marina fa matanjaka sy tsy azo atao ninoninona ianao Andriamatoa Governoran’ny Faritra Bongolava, fa aza ihetraketrahanao loatra ny Préfet, ny asany no ataony, mihevitra anareo ho iza sy Aiza moa ianareo io?

Efa nanao amboletra ianao hanao revue militaire taminy 29 Mars nefa tsy Ianao no tokony hanao izany fa ny Solotenam-panjakana ( PREFET).

Novingavingainao tao aminy Fahitalavitra sy Radio anakiray ny Préfet Bongolava fa tsy nanome anao hanatrika ny 26 Juin 2022. Ny lalàna no tsy mamela anao hanao izany fa tsy ny Préfet.

 Izao ianao mitatitra olona hitokona sy hanala ny Préfet Bongolavana satria tsy manaraka ny baikonao hono, ianao anga no Lehibeny Préfet?

Ento eny aminy zone rouge ireo olonao ireo hahafantaranao azy.Mangataka ny PAC fa misy Maires tsy maty manota ao Bongolava ao, misy olona ambony miaro azy ireo.

Mba asio fifanajana ihany , marina fa anareo ny Fahefana Andriamatoa Governoran’ny Bongolava, anareo ny basy fa mba mieritrereta ihany sao tratrany patsa iray tsy omby vava Tompoko.

Manao provocation ianao Andriamatoa Governora satria akaiky ny Filoha hono, ary olony Antoko Matanjaka fa dia aza mangaro biby andavaka loatra re Tompoko o.
◾Mba manana aptitude sy compétence en matière d’Administration territoriale ve ianao ?
◾Ho antsika Administrateurs Civils izay kely mahazo toerana sy mpisolelaka fantaro ny marina sy ny hitsiny sao hanenenana.
Fantatray fa misy olona ambony ao anaty Fitondrana no manao provocation ny Administrateurs Civils mba nahatonga anay hanohitra, DISO hevitra ianareo fa izahay manana éthique, sady tsy Opposition fa force de proposition , contre pouvoir fa tsy contre le pouvoir, fa izahay tsy maintsy miteny izay tsy mety ary manohana ny mety.Ho any Mpanendry sy Mpanala, esory indray ny Préfet ny Bongolava dia ho hitan-tsika eo ny TOHINY TANTARA.
🙏Masina ny Tanindrazana , masina ny Corps des Administrateurs Civils.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment