BOTOZANANY EMERLIN : ANISAN’IREO ZANDRINY INDRINDRA AMIN’IREO MPIANATRA HO POLISY NAHAVITANA FIHOFANANA
Mivoaka androany 16 septambra 2022 ireo tanora Malagasy nanokan-tena hiaro ny vahoaka sy ny fananany ‚ ny firenena Malagasy ary indrindra hitandro ny filaminana eto Madagasikara ‚ andiany faha-27 ‚ misalotra ny anarana AINA na « PROMOTION AINA » . Nisy ny fitsidihana mialoha nataon’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ny alina ‚ nanomezana toromarika sy hafatra hoan’ireo Polisy izay hanomboka ny asa ‚ mba ho fitaratra amin’ny fitondran-tena eny anivon’ny fiarahamonina ‚ tsy hanala baraka ny mpitandro filaminana.
Anisan’ireo « Agent de Police » mivoaka androany i BOTOZANANY EMERLIN ‚ tovolahy 23 taona avy aty Antsohihy ‚ faritra Sofia . Ny fitiavako ny asa ‚ fitandroana ny filaminana ary fahafoizan-tenako hoan’i Tanindrazana dia Madagasikara soa no nanosika aho hanao POLISY ary vonona amin’ireo adidy miandry aho‚ izay fantako fa tsy mora izany ka ilana fiarahamiasantsika rehetra ‚ hoy izy raha nanontanianay.
![👮](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/tbb/1/16/1f46e.png)
![✨](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/tf4/1/16/2728.png)
![✨](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/tf4/1/16/2728.png)
![👮](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/tbb/1/16/1f46e.png)
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.