a
FandraisanaSportAMIN’NY FIAINANA : IZAY MIEZAKA IHANY NO TAFITA▪️ANY NEW-YORK ALFA ZANAKA TANTSAHA MPAMBOLY IZAO

AMIN’NY FIAINANA : IZAY MIEZAKA IHANY NO TAFITA▪️ANY NEW-YORK ALFA ZANAKA TANTSAHA MPAMBOLY IZAO

AMIN’NY FIAINANA : IZAY MIEZAKA IHANY NO TAFITA▪️ANY NEW-YORK ALFA ZANAKA TANTSAHA MPAMBOLY IZAO

Any New-York ‚ Etats-Unis i ALFA Nambinintsoa Narcisse amin’izao ‚ hisolo tena ny zaza malagasy ary hitondra ny feon’izy ireo amin’ny fihaonana an-tampon’ny Fanavaozana ny Fanabeazana.

 Tovolahy 18 taona ‚ avy any Nasandratrony Fianaratsoa izy . Nahazo ny naoty ambony indrindra tamin’ny fanadinana bakalorea 2022 sokajy ankapobeny.

Maro ireo sedra efa nolalovako . Azoko fintinina amin’ny hoe sahirana dia sahirana ny ray-aman-dreniko ka somary nananosarotra ahy tamin’ny fiainako andavanandro izany, indrindra tamin’ny fivoarana amin’ny lafiny maro. Saingy afaka nosedraiko ihany izy ireny ary soa ihany fa nisy ny « Programme CERES » na ny Centre de Renforcement Educatif et Scolaire ».

Tamin’ny « classe de 6 ème » aho no nanomboka niaraka tamin’ny CERES izay ivon-toerana mifantina ireo mpianatra mahay no sady mazoto kanefa mila fanampiana any amin’ny faritra ambanivohitra sasany ao amin’ny Faritany Fianarantsoa. Manampy amin’ny fanohanana ara-pitaovana, ny resaka fanamafisam-pahaizana, ny fifehezana ny teny frantsay, ny fanomanana « concours » hiditra amin’ireny « lycée » sy kolejy sangany ao Fianarantsoa ireny. Ary izay no nanampy ahy nafahako fanadinana niditra tao amin’ny Collège Saint François Xavier.
Ireto avy no nanamarika ahy tamin’ny fomba namolavolan’ny CERES ahy :
🌟 Ireo zavatra nanamarika ny fiainany :
▪️Ny maha-zava-dehibe ny « discipline ».Ny fambolena toe-tsaina mahaleo tena. Tsapa fa ny fahazoana ny fahaleovan-tena dia miainga tsikelikely avy amin’ny fanarahana ireo fitsipika sy ny fahaizana mifehy tena. Rehefa voahaja ireo dia mora ho anao ny mitondra ny fiainanao.
▪️Ny maha-zava-dehibe ny fifanampiana. Rehefa misy zavatra tsy hay, ankoatran’ny fihainoana ny fizarana traikefa ataon’ireo mpanabe anay, dia zary fahazaranay samy mpianatra ao amin’ny CERES ny mifanampy.
▪️Ny maha-zava-dehibe ny resaka « développement personnel ». Maro ny zavatra resahana amin’io satria mahakasika ny maha-olona iray manontolo. Tsy fianarana ambony latabatra ihany ny fiainana fa ao koa ny resaka « connaissance de soi », « confiance en soi », « relation interpersonnelle », sns.
▪️Ny maha zava-dehibe ny fahaizana mandamina fotoana. Mitaky fahamatorana izy io. Ho ahy manokana aloha dia nanana « emploi du temps personnel » aho. Mila fihafiana izany satria mila ahena ireo zavatra izay mety hampivily anao amin’ny tanjonao.
▪️Ny maha-zava-dehibe ny fananana tanjona sy ny fomba ahatratrarana an’izany.
Ny fametrahana tanjona dia mila asiana fe-potoana. Ohatra hoe androany aho tsy maintsy mahay an’izao. Mila manao tombana ianao alohan’ny hatory hoe inona no vita sy mbola ho atao ? Mety ho tratra ve sa tsia ? Tsy adino ihany koa ny mivavaka. Mila velona ao anatinao koa io tanjonao io isan’andro. Ho ahy manokana mba amelomako azy io ao amiko isan’andro dia nasiako soratra teo ambonin’ny fandrianako hoe : « mention très bien, lauréat de Madagascar. Je peux le faire avec Jésus. » Tena tiako ny mianatra, vitako mihitsy ny tsy matory mandramaraina manao « mathématiques » ohatra. Tsy nionona ihany koa aho tamin’izay nomen’ny mpampianatra tany an-tsekoly fa nikaroka tetsy sy teroa.
Ny hafatra ho an’ny tanora mitovy amiko dia hoe mahereza mikiry hatrany amin’izay atao. Ataovy am-pitiavana izay ataonao dia sahia manana nofy ngeza be. Araho vavaka ihany koa izay rehetra atao. 🙏✊❤
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment