RASAZY NAMOY NY AINY VOKATRY NY LOZA AN-DRANOMASINA TAO AMPONDRABE ANTSOHIHY : NATAO VELOMA TAO AMIN’NY SDSP
Natao veloma farany tao amin’ny SDSP Antsohihy androany 13 Septambra 2022 itompokovavy Mauricia Idéale ‚ Rasazy niasa tao Ambiky ‚ namoy ny vokatry ny loza niseho tao Ampondrabe ny 11 Septambra 2022 teo.
Nandritra ny famangiana nataon’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana no nahafantarana fa namoy ny niaraka tamin’ny Rasazy tany an-dranomasina ny zanany 04 taona sy anadahiny 22 taona ary ny vady andefomandriny izay Kapiteny nitondra ilay Botry avy tany Ambiky . Ny fanazavana no nahafantarana fa niezaka nanavotra ireo olona tao anaty Botry ilay Kapiteny saingy reraka ihany ity farany rehefa nivezivezy nilomano nanavotra ireo olona nilentika tao anaty ranomasina.
Mirary ireo namoy ny ainy handry ampiadanana
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.