FARITRA MATSIATRA AMBONY : BASY 70 MAHERY MIARAKA AMIN’NY BALA MARO ‚ TSY ARA-DALÀNA NIPARITAKA TAO AMBOHIMAHASOA : AZO NANDRITRA NY FIFANDONANA TAMIN’NY DAHALO
Azon’ny miaramila avy ao amin’ny ZDS Andringitra ‚ izay manao asa fampandrian-tany amin’iny Distrikan’Isandra sy Ambohimahasoa iny ireto Basy 70 mahery miaraka amin’ny bala maro tsy ara-dalàna ireto . Taorian’ny ny fifandonana tamin’ny dahalo no nahazahoana ny sasany fa azo tamin’ny loharanom-baovao marimpototra avy tamin’olona tsara sitra-po kosa ny sasany ‚ raha ny fanazavana tao amin’ny pejin’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena.
Ahoana ny mety firongatry ny tsy fandriampahalemana tany na eto Madagasikara raha mbola manohy ny fanamboarana ireo mpamorona azy ka mizara amin’ireo dahalo ? Izy rehetra ve ireo sa mbola betsaka ny any ampelatanan’ny sasany mba hanaovana asa ratsy ? Fanontaniana apetrakin’ny mpanara-baovao.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.