GOVERNEMANTA MALAGASY : NITONDRA TENY FANKAHEREZANA IREO TRABOINA ARY NANDEFA FIARAMANIDINA NANATITRA FANAMPIANA HOAN’IREO TRABOINA VOKATRY NY LOZA TANY AN-DRANOMASINA ANTSOHIHY
Nitondra teny fampiononana sy fankaherezana ireo fianakaviana nidonam-pahoriana tampoka ‚ namoy havana‚ zanaka‚ mpiray tampo izay nodimandry nandritra ny fifandonan’ny sambo tao tao Ampondrabe Antsohihy ny Governemanta Malagasy ‚ tamin’ny alalany Lalatiana Rakotondrazafy Andriantongarivo‚ Ministry ny serasera sy kolontsaina sady mpitondra tenin’ny Governemanta androany 12 Septambra 2022 tao Antafiampatsa ‚ Antsohihy ‚ izay nontronon’ny Governoran’ny faritra Sofia ‚ ny lehiben’ny Prefektiora ‚ ny Solombavam-bahoaka voafidy teto Antsohihy sy ny Ben’ny tanàna voafidy teto Antsohihy ‚ Ankerika ‚ Analalava ary ireo lehiben’ny sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana.
Nilaza ny minisitra fa nandefa fiara manidina ny fotondram-panjakana ‚ amin’ny alalan’ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ( BNGRC ) ary hatolotra ireo traboina sy nidonam-pahoriana izany ankoatran’ireo fanampiana maro efa natolotra ny ministera sy ny faritra Sofia.