ANTSOHIHY : OLONA 06 MATY ‚ BETSAKA NY OLONA MBOLA KAROHINA VOKATRY NY FIFANDONAN’NY «VEDETTE» TAO AMPONDRABE
Zaza 04 sy vehivavy 02 no efa hita faty hatreto vokatry lozam-pifamoivozina an-dranomasina tokony ho tamin’ny 07 Ora alina teo . Nitondra olona avy tany Ambiky ho an’ny Antafiampatsa ‚ izay ankizy mpianatra hamonjy fianarana ny ankamaroany ‚ tao anatin’ity “vedette” iray ity . Nifandona izy sy ny vedette iray nandeha antsokosoko ‚ niala avy teto Antsohihy tao Ampondrabe ‚ Rendrika araka izany ilay “vedette” nitondra mpianatra raha nandositra tsy nijanona ilay nifandona taminy ‚ araka ny fanazavana.
Mandeha ny fikarohana ireo olona voalaza ho ampolony mbola tsy hita sy tsy fantatra na maty na velona hatreto . Nilaza ny handefa « vedette » hafa hanaramaso ny ranomasina sy hikaroka ireo nahavanon-doza sy ireo ankizy sasany ny tompon’andraikitra.