a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaBASIKETY SOFIA : NANKASITRAKA NY FIARAHANA I ROGER

BASIKETY SOFIA : NANKASITRAKA NY FIARAHANA I ROGER

BASIKETY SOFIA : NANKASITRAKA NY FIARAHANA I ROGER

Betsaka ny traikefa azo nandritra ny fiarahana tao Antsohihy ‚ asam-panjakana tsy vita amin’ny toerana iray koa mankasitraka ny ekipa rehetra mpankafy BASIKETY SOFIA ny tenako ‚ io no hafatra napetrany sady nametra-beloma mandrapihaona.

Jean Noël dit Roger dia Tanora ‚ namorona ny vondrona AJSM ( Association des Jeunes Sportifs Milay ) sy AJSS ( Association des Jeunes Sportifs Sofia ) ‚ samy ekipa mpilalao Basikety mijoro eto Antsohihy izy roa ireo ‚ nampiofanana sy nampivondronana ireo tanora mpankafy sy manan-talenta amin’ny Basikety . Niasa tao amin’ny “ visite technique automobile ” na Birao misahana ny fanarahamaso sy ny fitsirihana fiarakodia Antsohihy ary izao izy miasa any Ivato Antananarivo sady manampy fahalalana sy traikefa momba ny asa.

Tiako ny Basikety ary tiako raha hitohizan’ireo zandry afara ny ezaka efa nataoko ‚ hoy hatrany izy.
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment