MISS & MISTER MADAGASCAR : TRIDY SY BRIAND NO MISOLONTENA NY FARITRA SOFIA
Efa samy any Antananarivo izy roa mianadahy amin’izao ‚ hiatrika ny fifaninana izay hanomboka ny alahady 18 septambra 2022 fiakarana voalohany (quart de final ) , alahady 25 septambra 2022 ny dingana manasa-dalana ( demi-finale ) ary alahady 02 Oktobra 2022 ny dingana farany sy famaranana ( finale ).
Vonona amin’ny fiatrehana ireo fifaninana mifandimby ireo izahay roa mianadahy ary hanao ezaka rehetra mba ho rehareha sy voninahitry ny faritra Sofia ‚ hoy izy ireo niantso ny vahoaka Malagasy rehetra hanohana azy fa indrindra ny zanaky ny faritra Sofia.
Tovolahy teraka ny 04 Martsa 1997 teto Antsohihy ‚ monina sy mipetraka Port Bergé i BEARIVONY Briand ‚ mirefy 1‚78m ny lehilahy . Ny hitondra voninahitry ny faritra Sofia ary ho mpanao dokam-barotra amin’ny fahitalavitra na petadrindrina no faniriany sy nandrisika azy hanao « MISTER ».
Tovovavy 24 taona avy eto Antsohihy kosa i MANAFY DANGY Tridy Elbertia ‚ mirefy 1‚78m . Ny hitondra sy hanandratra avo ny kolontsaina sy fomba amam-panao misy aty amin’ny faritra Sofia ary hamafa sy hanazava ny sain’olona momba ny resaka iniana dosoina sy handotoana ny vehivavy Tsimehety ( VALIZY MENA ) no anisany nandrisika azy handray anjara amin’ny fifaninana ary indrindra hanambara amin’izao tontolo izao fa misy tanora vavy mendrika ( belle ‚ intelligente ‚ respectable … ) eto Madagasikara.
![🥰](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/tea/1/16/1f970.png)
![❣️](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/teb/1/16/2763.png)
![💯](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/tf1/1/16/1f4af.png)
![🇲🇬](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t30/1/16/1f1f2_1f1ec.png)