AMBILOBE : NOTOLORAN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA BISIKILETA NY MPIANATRA NAHAZO LOREATY , NITOKANANA NY LAPAN’NY FITSARANA VAOVAO
Fotodrafitr’asa maro no efa najoron’ny fotondram-panjakana izay tarihiny filoha Andry Rajoelina eto Madagasikara ary manakaiky vahoaka sy mamaha ny olan’ny vahoaka ifotony ihany koa . Tsy mijanona any amin’ny birao fotsiny fa midina ifotony ‚ mijery izay mampanahirana ny vahoaka nifidy azy ary mamaha izany.
Ny fanabeazana no fototra iorenan’ny maha olona sy fampandrosoana ka nataon’ny fotondram-panjakana laharam-pahamehana ny fametrahana ny sekoly marapenitra manerana an’i Madagasikara ‚ fototry ny fandriampahalemana izay ihorenana ny fampandrosoana ihany koa ny fanjakany RARINY sy ny HITSINY ary indrindra ny MARINA eo anivon’ny FITSARANA ka miezaka ny mametraka fotodrafitr’asa mifanaraka amin’izany ary mametraka ny rafi-pitsarana manakaiky vahoaka ny fotondram-panjakana mba hisiany fandriampahalemana ‚ anisan’izany ny lapan’ny fitsarana izay notokanan’Atoa Filoha Andry Rajoelina androany 10 Septambra 2022 tao Ambilobe ‚ faritra Diana.