ANTSOHIHY : HO TONGA HANOLOTRA MARIBONINAHITRY NY MPANAKANTO ATY AMIN’NY FARITRA SOFIA NY MINISITRY NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
Raha tsy misy fiovana dia ny alatsinainy 12 Septambra 2022 izao no higadona eto Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia ny Minisitrin’ny serasera sy ny kolontsaina ‚ Lalatiana Andriantongarivo.
Hanolotra sy hanome mariboninahitra ireo mpanakanto ato amin’ny faritra Sofia ary hitokana fotodrafitr’asa manarapenitra vita ato amin’ny Distrikan’Antsohihy sns izy . Efa miomana amin’ny fahatongavany ireo tompon’andraikitra maro.
Anisan’ireo ahazo ny mariboninahitra amin’io fotoana io i BAHOEJY izay namorona ny dihin-dRazana BAHOEJY ‚ dihy anisany mampiavaka ny faritra Sofia . Avy ao Ambohimandririna ‚ CR Ambodimandresy – Antsohihy no mipetraka i BAHOEJY ‚ izy no namorona iny dihy malaza sy mampiavaka ny faritra Sofia eran-tany iny ka mba miangavy izy ny tsy hanasiana “ W ” rehefa manoratra ny anarany dihy BAHOEJY mba ho fanajana ny mpamorona . Ny anarany ihany mantsy no nampitondrainy anaran’ity dihy noforonony izay naseho voalohany tao Mampikony ‚ faritra Sofia ny taona 1986.