a
FandraisanaVaovaom-paritraTSY FANDRIAMPAHALEMANA AMBANJA : TRANOMBAROTRA IRAY NISY NAMAKY ‚ NARATRA MAFY VOADAROKA SY VOAFIRA NY MPIAMBINA SY NY ZANANY▪️ZATOVOLAHY EFATRA NO EFA VOASAMBOTRA

TSY FANDRIAMPAHALEMANA AMBANJA : TRANOMBAROTRA IRAY NISY NAMAKY ‚ NARATRA MAFY VOADAROKA SY VOAFIRA NY MPIAMBINA SY NY ZANANY▪️ZATOVOLAHY EFATRA NO EFA VOASAMBOTRA

TSY FANDRIAMPAHALEMANA AMBANJA : TRANOMBAROTRA IRAY NISY NAMAKY ‚ NARATRA MAFY VOADAROKA SY VOAFIRA NY MPIAMBINA SY NY ZANANY▪️ZATOVOLAHY EFATRA NO EFA VOASAMBOTRA

Naratra mafy ity Raim-pianakaviana mpiambina tranombarotra ao Tanambao Ambanja sy ny zanany ‚ vokatry ny fifandonana mafy tamin’ireo jiolahy nanafika ny tranombarotra ny alin’ny 07 Septambra 2022 teo . Nanokatra fanadihadiana momba izany avy hatrany ny zandary tany an-toerana rehefa nandre ny vaovao.

Tovolahy 04 no voasambotra tao Ambaibo Ambanja hatreto . Ahiana mafy ho tompon’antoka tamin’io raharaha mahatsiravina io ireto tanora ireto ‚ noho ny fahitana ny fitaovana tratehaka niaraka taminy ‚ toy ny antsy ‚ lefona ary fonosana rongony ny marainan’ny 09 Septambra 2022 . Nahitana moto tsy misy taratasy mazava ‚ izay heverina ho nangalariny ihany koa teny.

Mandeha ny famotorana sy fanadihadiana momba ny raharaha ‚ nanamafy ny fahavononany amin’ny fiarahamiasa fa indrindra ny fametrahana ny fandriampahalemana maharitra ao Ambanja ny kapiteny ‚ komandin’ny vodrontobim-paritra.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment