RAZAFIMANAZATO JULIEN : TSY MANAO POLITIKA NY FIANGONANA KATOLIKA FA NY MPANAO POLITIKA NO LANY HENATRA SY TIA MANAFANGARO POLITIKA AMIN’NY FINOANA
Lasa resabe eo samy mpiantsehatra politika indray ny JMJ Mada. Ifandroritana ny andro natokana hoan’ny tanora Katolika. Fa misy inona?
Analiny ireo olona nasaina, tsy mora hoan’ny mpikarakara ny fandraisana izany. Aoka ny fanomezantsiny fa tsy mora ny manao zavatra. Avelao hoan’ny tanora io andro natokana ho azy io! Tokony samy hahay hanaja tena ny tsirairay.
Ialako tsiny eto ampiandohana, raha hamaritra fohifohy ny atao hoe Eglizy Katolika aho. Mety hisy Pretra, Eveka, na ireo nandalina manokana ny finoana Katolika no hamaky izay ho soratako eto, ialako tsiny ireo mety tsy mifanaraka amin’ny tena tokony hoizy.
Manana rafitra mazava ny Eglizy Katolika, ka tsy hitovy amin’ireo Pretra, Eveka, mihitsy isika lahika! Tsara hazava amin’ny tsirairay izay. Izany indrindra no antony tsy ahafahantsika miara-mipetraka amin’ny Eveka, Pretra eny amin’ny toerana voatokana mandritry ny sorona masina ireny.
Ny Eglizy Katolika, miorina ao amin’ny Vatican, Roma, Italia, misandrahaka manerana ny Diosezy sy ny Paroasy, …, anisany iray amin’ireo Fiangonana Kristiana lehibe indrindra maneran-tany. Mazava hoazy Andrim-panjakana mahaleotena izay mampivondrona ny mpino Kristianina Katolika rehetra ary mametraka ny fitokisany amin’ireo Eveka tarihin’i Papa Ray Masina izany Eglizy Katoloka izany. Mino ny fisian’ny Zagnahary iray tsy toha tsy hita maso, ny fisian’ny fiainana mandrakizay ny Kristianina Mpino Katolika.
Ny Papa no tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fiangonana, izay mandimby sy manohy ny asa nankinin’i Jesoa Kristy tamin’i Md Piera.
Mifototra amin’ny amin’ny sakramenta fito (Batemy, Eokaristia, fanamafisana, mariazy, fampihavanana, filaharana, fanosorana ny marary) ny fiangonana Katolika, anisany iray lehibe amin’iireo ny Eokaristia, izay ankalazaina mandritra ny lamesa. Ny Papa, Eveka, Pretra, … ihany no afaka manamasina izany Eokaristia, izay tsy inona akory fa dia ny vatan’i Kristy velona ao amin’ny tragnon-Jagnahary!
Misy ambaratonga mazava ny fiangonana Katolika. Mitovy avokoa ny Mpino rehetra eo anatrehan-jagnahary. Izaho izao mpino tsotra izao dia mitovy tanteraka amin’ny mpino hafa rehetra, tsy ho afaka ny hiady laharana amin’ny Pretra, Eveka, … mandritry ny lanonana karakarain’ny fiangonana.