MPIASAMBAHOAKA AVOKOA NY TOMPON’ANDRAIKITRA ETO AMIN’NY FIRENENA ‚ HOY BAOMIAVOTSE VAHINALA ‚ TALE KABINETRAN’NY FILOHA
Nohitsin’i Baomiavotse Vahinala ary nampahatsiahivina fa MPIASAMBAHOAKA ary tokony ho modely ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena manoloana ireo fihoaram-pefy sy fanararaotam-pahefana ataon’ny sasany
Betsaka tato ho ato ny tomponandraki-panjakana mihoa-pefy sy manapatra fahefana . Namerina nilaza ny Filohampirenena fa tany tan-dalàna i Madagasikara , ka tsy misy ambonin’ny lalàna.
Mbola ampahatsiahivina ihany koa fa MPIASAMBAHOAKA avokoa ny tomponandraikitra eto amin’ny Firenena . Mitaky fanetretena sy fahaiza-miaina izany ‚ Ary tsy doria ny andraikitra ampindramina antsika ‚ Koa samia ho modely.
![🇲🇬](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t30/1/16/1f1f2_1f1ec.png)
![🇲🇬](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t30/1/16/1f1f2_1f1ec.png)
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.