a
FandraisanaFialambolyIZANY NY ATY AMINAY

IZANY NY ATY AMINAY

IZANY NY ATY AMINAY

– rehefa dentifrice dia antsonay fona hoe 《Colgate》
Tsis irarahinay an’izany.
– rehefa pâtes alimentaire dia 《pâtes》, tsis hoe macaronis, spaghettis , rigatis sns zany…
Zay tinay ihany io 😆
– aty aminay raha misy seza efa hita fa tsis olona zao dia anontaninay fona hoe《misy mipetraka ve eto ?》
Zay no efa mahazatra anay 😛😛
-raha tapahan’ny jirama ny courant dia mandeh mijery ny an’ny voisin haingana aloha. Dia raha tapaka koa ny azy dia maivamaivana ery fa hoe tapaka daholo ny an’ny quartier rehetra .
Efa zany ny toetranay dia aninona nefa 😅
– refa misintona vola eny amn distributeur automatique izahay dia mbola averinay isaina in-3 ny vola 😂
Tsy mahatoky an’iza an’iza izahay na dia efa distributeur aza rehefa hoe resabola zany.
– ahidinay lakile ny fiara fa averinay andramana sokafana indroa ny varavarana vao miala eo zahay. 😁😁
Tsy haiko ny antony hoe maninona fa zay no mahafinaritra anay.
– ny aty aminay rah vao misy lahy sy vavy miaraka eny anarabe na manao double moto dia mampiaraka izy zay. 😍
Zay tsy miasa loha amn’zay tena fihavanany any.
– aty aminay ampidinina ny feon’ny tele na mozika refa maheno fofona zavatra may izahay 🤔😄
Fa maninona ve ? Satria efa zay …dia zay tinay
– rehefa mba mi invité sipa izahay hoe andeh resto dia tsy maintsy mitondra ny namany na ny rahavaviny na ireo cousine tendakanina ireny izy.
Tsis bedy io fa efa mahazatra anay. ☺😆
– refa olona mabambola na fotsy dia vazaha ny anarany aty aminay. 😅
Zay no fahazaranay dia zay tinay io.
– aty aminay ny mpitondra posy rehetra dia 《kama》 ary ny aide-chauffeur rehetra dia 《goal》
Aza manontany ny antony fa zay no tinay 😅
– aty aminay irery no misy sakafo hoe 《composé 》 no anarany.
Ary dia tinay io…😛😛
– ny aty aminay dia ato amn’facebook no fanaovana réglement de compte 👊
Zay no tinay tsin dia zay no ataonay aloha.
– aty aminay misy fiteny tsy hafaka havadika teny vahiny fa lasa teny tsis dikany.
ohatra : zaza lava tongotra, bandy mankivisy, sipa mangididy… sns sns ..😅😅
Fa efa zay no fiteninay dia zay koa no tinay nefa.
– aty aminay rehefa misy mandodona eny ambaravarana dia tsy maintsy « ZAH » no valiny !!
Dia sokafanay i « zah » satria olona fantatray i « zah »😅
-mahafinaritra ny aty aminay, tinay ny aty aminay, zay tinay satria aty aminay ❤️
_____________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
( Source : Ricardo )
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment