MPANAO GAZETY MANAO NY ASANY▪️ NORAHONANA HO TIFIRINA
Ampahan-tsary voarainy mpanao gazety teny an-tsena ‚ eo amin’ny Pont kalandy Mandritsara ity hitantsika eto ity . Nohon’ny fakana io sary izay maneho fomba fivarotana ataon’ireo tantsaha ao amin’ny Bazary Mofo kalandy io no niteraka gidragidra ‚ disadisa teo amin’ilay mpanao gazety naka sary sy ny olona tao anaty fiara izay nilaza fa tsy azo alaina sary sady nivatravatra nanatona ny mpanao gazety ary nisintona ny karatra maha mpanao gazety teny amin’ilay tompony.
Raha mbola nanao an-keriny haka sary ny karatra ary nisintona izany an-keriny teny amin’ny tompony ity olona nivoaka avy tao anaty fiara ity sady nandrahona dia rovitra ilay karatra ‚ Simba ny fitaovana teny aminy araka ny fanazavana ‚ nandeha izy ireo aveo rehefa vita ny fampihorohoroana nataony tamin’ny mpanao gazety .