a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaEPP PHILIBERT TSIRANANA : NOHATSARAINA NY LOKO EO AMIN’NY TSANGAMBATO

EPP PHILIBERT TSIRANANA : NOHATSARAINA NY LOKO EO AMIN’NY TSANGAMBATO

EPP PHILIBERT TSIRANANA : NOHATSARAINA NY LOKO EO AMIN’NY TSANGAMBATO

Tao Anjiamangirina ireo delegasionina notarihiny mpandrindram-paritry ny antoko politika Freedom omaly 17 Jolay 2022 ‚ nanatsara sy nandoko ny tsangambato eo akaikin’ny sekoly Philibert Tsiranana mialoha ny fankalazana ny faha 121 taona ny Epp Philibert Tsiranana ao Anjiamangirina

Ny 24 jolay 2022 izao mantsy no feno 121 taona ny nanomezana anaran’io sekoly io ho « Epp Philibert » ‚ raha efa niforona hatramin’ny taona 1901 izy ary tamin’ny taona 1922 no nanomboka nianatra tao ny Filoha Philibert Tsiranana io . Tafo satrana izy tamin’izany ary tafo satrana hatramin’izao ka tsy azo hovaina ho fanitso ( tôle ) araka ny fomba sy lamina napetrany sy faniriany fony fahavelony ‚ midika izany fa tsy azo hovaina ho manarapenitra sy manaraka ny endriky ny trano amboarina ankehitriny izy io na manana finiavana hanao sy hanova izany aza ny mpitondra mifandimby.

“ Fanomezan-kasina ny toerana manan-tantara sy fahatsiarovana ny Filohan’ny Repoblika voalohany sady Rain’ny fahaleovan-tena no anisany nahatonga ny antoko ‚ nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fanatsarana izany ”hoy Ravo Emile ‚ mpandrindram-paritry ny antoko politika Freedom ‚ nitondra fanazavana . Nankasitraka tamin’ny hetsika ary nitondra teny fisaorana ny Ben’ny tanàna.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

e.fandrai@gmail.com

-

-/-