a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaTOVOVAVY MPIANATRA ‚ MPINO SILAMO IRAY, NOTERENA NANALA SARIN-DOHA

TOVOVAVY MPIANATRA ‚ MPINO SILAMO IRAY, NOTERENA NANALA SARIN-DOHA

TOVOVAVY MPIANATRA ‚ MPINO SILAMO IRAY, NOTERENA NANALA SARIN-DOHA

FANADINANA BAKALOREA TAO AMIN’NY LJR TOAMASINA : TOVOVAVY MPIANATRA ‚ MPINO SILAMO IRAY ▪️ NOBETROHINA ARY NOTERENA NANALA SARIN-DOHA TAO ANATY EFITRANON-TSEKOLY

Ranomaso no nameno ny tapany maraina ny fanadinana Bakalorea an’ilay tovovavy mpianatra ‚ mpino silamo anisany kandidà voasoratra anarana ao amin’ny foibem-panadinana LJR ( Lycée Jacques Rabemananjara ) Toamasina androany 17 Jolay 2022.

Nobetrohina ary noterena izy mba hanala ny sarin-dohany rehefa tafiditra tao anaty efitranon-tsekoly izay hanaovana ny fanadinana . « Alào agny raha amin’ny lohanao io ! – musulmane aho tompoko ‚ hoy ilay mpianatra namaly ; Ato tsy fanaragna silamono zegny fa alao agny io….TSY REGNINY BETRON-DOHANAO MÔ RAHA VOLAGNIKO ZEGNY !? hoy hatrany ilay voatondro ho mpampianatra tamin’ity zazavavy mpianatra hanala fanadinana Bakalorea ity.

Betsaka tamin’ny « devoir » na adina natao azy no tsy vita raha ny fanazavana nataon’ilay mpianatra ary ranomaso no nameno ny tontolo androny raha ny fanazavana . Ahiana hisy fiantraikany mivantana amin’ny fanadinana izay ataony ity tranga ity.

Mankahery ireo mpianatra manala fanadinana Bakalorea manerana ny Nosy isika ary mirary soa ho azy ireo ihany koa mba ahazo vokatra tsara

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

e.fandrai@gmail.com

-

-/-