a
FandraisanaFahasalamanaBEPC SOFIA : MIZOTRA AMPILAMINANA

BEPC SOFIA : MIZOTRA AMPILAMINANA

BEPC SOFIA : MIZOTRA AMPILAMINANA

Vao maraina be dia efa rakotra olona ‚ Ray aman-dReny sy mpianatra hanala fanadinana BEPC ny teo amin’ny vavahadin’ny Sekoly Victoire Rasoamanarivo Antsohihy androany . Mialohan’ny fotoana rehetra ‚ nomen’ireo tompon’andraikitra misahana ny fanarahamaso ny fanadinana toromarika sy ny tsara ho fantatra ary fepetra noraisiny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena ireo mpampianatra sy mpanaramaso any amin’ny efitrano hanaovana ny adina ‚ toraka izany ihany koa ireo mpianatra miatrika ny ny fanadinana.

20610 ireo mpianatra voasoratra anarana hanao fanadinana BEPC ato amin’ny DREN Sofia izay miparitaka amin’ny foibem-panadinana 60 ato amin’ny faritra Sofia ; Miisa 3020 ny eto Antsohihy renivohitry ny faritra izay miparitaka amin’ny foibem-panadinana 03 . Tsy natao sakana nanakorontanana fanadinana na ireo mpiadina ny olana toy ny fanadinoana ny karatra maha mpianatra sy taratasy fiantsoana fa nasaina nalainy Ray aman-dReniny ary afaka nandray anjara tamin’ny fanadinana ireo mpianatra sendra izany rehefa vita fanamarinana . Nanaraka toromarika sy lamina napetraky ny ministera ny tato amin’ny DREN Sofia na teo amin’ny fampidirana ny mpianatra na tamin’ny fizarana ny Laza adina . Mirary ireo mpianatra hahavita fanandinana antsaka sy andavany ary mbola miantso ny Ray aman-dReny hanoha azy ireo hatrany ‚ hoy ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Sofia ‚ Razafimandimby Rakotovao androany 04 Jolay 2022 ‚ raha nitafa tamin’ny mpanao gazety taoriany fanarahamaso ny fizotram-panadinana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

-/-