πππππ πππ ππ : πππππ-ππ π πππ ππππππππ ππππ πππππ πππ ππππππππππ πππ ππ ππππ-ππππππππ πππ ππ πππππ
Β Β Niteraka resa-be ireo hazo voatetitetika miisa 300 izay hita tao Bemarambonga kaominina Antsahabe Distrika Antsohihy. Ny sasany nilaza fa anβny manampahefana ambony ao aminβny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy ireo hazo ireto ary kasaina hoampakarina aty Antsohihy ka izao tratehaky ny Zandary izao.
Β Β Ny fanadihadiana natao no nahafantarana izay tomponyβ ary io tompony io no nilaza fa nahazo alalana aminβny manampahefana isanβambaratongany izy mialoha ny fanapahana ireto hazo iretoβ raha ny fanazavana.
Β Β Efa hatraminβny volana Jolay 2024 no nikarakara antotan-taratasyβ nanao fangatahana mba ahafahana manapaka hazo i Zaramina monina ao Bemarambongaβ izay voalaza fa hanaovany trano.
Β Β Nandiso ny filazam-baovao izay miendrika fanalam-baraka natao azy ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy ary nanamafy fa manan-jo hisitraka ny vokatry anaty ala (droit d’usage) na zo-nentimpaharazana (Ohatra : ny filana amin’ny taotrano) izany anefa dia tsy maintsy anaovana fangatahanaβ mihainga avy any ifotony (fokontany) ary miafara amin’ny Beninβala. Nandritra ny fitsirihana natao ifotony no nahafantarana fa voahaja avokoa ny fepetra maha ara-dalana ny fisitrahana ny zo-nentimpaharazana hanaovana trano izay misoratra amin-dRamatoa Zaraminaβ araka ny fanazavana voaray.