a
FandraisanaVaovaom-paritraπ€ππƒπˆπ‹π€πŒπ„ππ€ : πƒπ€π‡π€π‹πŽ 𝟎𝟐 πŒπ€π“π˜ π•πŽπ€π“πˆπ…πˆπ“π‘π€ – π“π€π…π€π•π„π‘πˆππ€ πˆπ‘π„πŽ 𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐇𝐀𝐋𝐀𝐓𝐑𝐀

π€ππƒπˆπ‹π€πŒπ„ππ€ : πƒπ€π‡π€π‹πŽ 𝟎𝟐 πŒπ€π“π˜ π•πŽπ€π“πˆπ…πˆπ“π‘π€ – π“π€π…π€π•π„π‘πˆππ€ πˆπ‘π„πŽ 𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐇𝐀𝐋𝐀𝐓𝐑𝐀

π€ππƒπˆπ‹π€πŒπ„ππ€ : πƒπ€π‡π€π‹πŽ 𝟎𝟐 πŒπ€π“π˜ π•πŽπ€π“πˆπ…πˆπ“π‘π€ – π“π€π…π€π•π„π‘πˆππ€ πˆπ‘π„πŽ 𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐇𝐀𝐋𝐀𝐓𝐑𝐀

Β  Β Niantso sy nampita vaovao tamin’ny Zandary avy hatrany ny olona tsara sitra-po tao amin’ny fokontany Behorefoβ€š CU Andilamena raha nahita andian-dahalo miisa 05 mirongo basy mandroaka omby halatra tao Ambodifamelonaβ€š 10km miala ny tanΓ na.

Β  Β Nidina haingana teny an-kianja ny Zandary rehefa nahazo vaovao. Raikitra avy hatrany ny fifampitifiranaβ€š dahalo 02 lavoβ€š 03 tafaporitsakaβ€š tavela teo ireo omby halatra miaraka amin’ny fitaovam-piadiana izay nampiasain’izy ireo omaly 27 Oktobra 2024. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa avy any amin’ny faritra Bevoay, CR Maroadabo Distrika Andilamena ireto omby voarava ireto, ary efa tonga ny tompony naka azy ireo.

Β  Β Zandarimaria MAFI (Miaro ho Antoky ny Fampandrosoana Ifotony) no fanamby napetraka ho fanamafisana ny fifampitokisana eo amin’ny Zandary sy ny vahoaka. Mitohy hatrany ny ezaka ho fanamafisana ny fandriampahalemana maharitra ato anatin’ny Distrika Andilamena iray manontolo miaraka amin’ny Kapiteny TOBIASY komandy ny Vondron-tobim-paritra Andilamena. Nanao antso avo ny tenany mba hisian’ny fifanomezan-tΓ nana sy ny fandraisana andraikitra misimisy kokoa amin’ny olom-boafidy sy ny vahoaka ary ireo tompon’andraikitra rehetra eny ifotony mba hampirindra ny fiaraha-monina anaty fahandriampahalemana tanteraka.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment