a
FandraisanaVaovaom-paritraTOAMASINA : NANONDRANA INDRAY RAPASY

TOAMASINA : NANONDRANA INDRAY RAPASY

TOAMASINA : NANONDRANA INDRAY RAPASY

   Pasitera avy any Antananarivo nisandoka ho Zandary voasambotra tao Toamasina. Ny maraina ny Talata 08 Oktobra 2024 teo izy nanery mpivarotra finday manoloana ny gare routière ao Tanambao V‚ mba hanaraka azy.

   Notazoniny (séquestration) sy notereny handoa vola 400.000 ar mba hilaminan’ny raharaha ity mpivarotra finday ity‚ ka voatery nitady hevitra ny fianakaviana ary nahita vola 03 hetsy Ariary. Navotsony tao Barikadimy ilay mpivarotra finday rehefa azony ny vola. Nodarohiny sy nampohorohoroany ilay mpivarotra nandritra ny fotoana nitazomany azy.

   Nitory avy hatrany ilay voasoloky‚ ka ny 10 Oktobra teo dia hita nihaodihaody teny amin’ny gare routière indray izy mba hanohy ny asa ratsiny. Tonga haingana ny zandary nisambotra azy‚ mbola tratra teny aminy ny findain’ilay mpivarotra voasoloky‚ ary mbola nahitana badge sandoka hafa‚ an’ andrim-panjakana ambony koa izy izay fantatra fa mpitandrina amin’ny fiangonana iray ao Antananarivo IV.

   Hoatolotra ny fitsarana avy hatrany ity lehilahy mpisoloky ity‚ aoriany famotorana atao azy.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment