ππππππππ π πππΓπππ ππππππ : ππππ πππππ ππππ-ππππππ πππ ππππππππππππ πππππππππ
Β Β Ny alinβny Sabotsy 24 Aogositra 2024 no tonga nanafika ny trano misy ireo mpitondra fivavahana 02 aminβny fiangonana FLM Andranomadio Mampikony ireo dahalo miisa 05. Maty voatetitetika taminβizany ny Pasitera FranΓ§ois VIVIER sy katekista iray.
Β Β Ny mpimasy mpitazona ody maherinβireo dahalo no voalaza ho namporisika ireo tsy mataho-tody hamono ireto mpitondra fivavahana roa iretoβ mba ahafahany mampanjaka ny ody maherinyβ sy mampiroborobo ny halatra ataonβireo olon-dratsy an-tanΓ naβ araka ny resaka miely.
Β Β Ny alahady 25 Aogositra 2024 ihany dia tratranβny fokonolona ny 02 taminβireo namono mpitondra fivavahana roa ireto ka maty notetitetehana ihany koaβ maso solonβny maso. Mbola karohina ny 03 lahy.
Β Β Nandriaka araka izany ny rΓ nateraky ny tsy fandriampahalemana ao aminβny Distrikanβi Mampikony ny faraparany herinandro teo. Marihina fa Pasitera misotro ronono FranΓ§ois VIVIER dia Ray niteraka anβi Franco Razafimbolahavanaβ tompon’andraikitra misahana onjam-peo tsy miankina iray ao Antsohihy sady mpilalao tantarao fanta-daza aminβiny faritra Sofia iny.