πππππ πππ ππ : ππππππ ππππππππππ ππππ π ππππππ πππ πππππ π ππππππππππ ππππβππ βπππβ
Β Β Tao Ambarijeby Estβ kaominina Analalava no nanohizanβny Talem-paritry ny Tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy ny fitsidihana sy fanomezana toromarika ireo tantsaha mivelona sy mitrandraka vokatra avy aminβny atiala fa indrindra ala honko izay nafindra fitantanana ny faraparany herinandro teo.
Β Β Niaraka taminyβ taminβity fotoana ity ny lehiben’ny Fampanoavana ao aminβny fitsarana ambaratonga voalohany Analalava sy tompon’andraikitra avy ao aminβny fitaleavam-paritry ny jono sy toekarena manga. Nisy ny fanentanana sy fampianarana ireo lalΓ na mifehy ny atiala sy ny harena voajanaharyβ harena an-dranomasina ary ny zo anananβireo vondronβolona ifotony aminβny fiarovana azy.
Β Β Tanjona mba ny hitohizan’ny fisitrahanβireo « VOIΒ Β» ny vokatra tsara avy aminβny fiarovana ny atiala. Tanteraka izany noho ny fiaraha-miasa matotra tamin’ny Tetik’asa MISOTRYβ ONG PlanΓ¨te Urgence. Faly ny vahoaka ary mahatsapa misy mpiahy ka nisaotra ny Talem-paritry ny Tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy Sofia ary nanamafy ny fahavononana hiaro ny Tontolo manodidina azy fa indrindra ireo faritra nomena azy ho tantaniny.