πππππππ πππππππππ πππ πππ : πππ πππππ ππ π ππππππππππππ ππππ ππππβπππππ ππππππ
Β Β Manoloana ireo fitarainana maroβ momba ny hopitalim-bahoaka tonga eo am-pelatananβny Solombavambahoaka voafidy teto Antsohihy dia nidina ifotony izy sy ireo mpanolotsainy ary ny Benβny tanΓ na NASIRY Aliβ nifampiresaka sy nanadihady ny zava-misy sy antony fitarainana maro azonyβ toy tsy fahataranβny fahatongavanβireo mpitsabo rehefa misy olona mila fitsaboana maikaβ fidanganβny vidim-panafodyβ fandoavanβolona marary vola hividianana solika rehefa delestazyβ ary antony mahabetsaka olona maty rehefa hoentina tsaboina ao aminβny hopitaly be Antsohihy…
Β Β Nilaza ny solombavambahoaka fa tokony apetraka aminβny takelaka ny sandam-bola fitsaboana sy ny lalΓ na na didim-panjakana milaza momba izany mba hisianβny mangaraharaβ nofantariny ihany koa ny antony mahatara ireo mpitsabo aminβny fandrasaina marary sy ny vahaolana mifandray aminβizany mba hampihena ny tahanβisanβolona maty rehefa mandeha mitsabo tena ao aminβny hopitalim-bahoaka.
Β Β Hentitra ny Solombavambahoaka Hyacinthe Befeno Todimanana manoloana ny fahasalam-bahoaka ary hanaramaso sy hiaraka hitondra vahaolana aminβireo tompon’andraikitra isanβambaratonga izy ho fitsinjovana ny vahoaka. Fifampiresahana sy fitadiavam-bahaolana maharitra no natao teto ary antenaina hiroso aminβny fanatsarana hatrany ny fandrasaina sy fitsaboana marary aminβny hopitalim-bahoaka mba hisiany fahatokisana ary hamporisika ny olona marary mba hanatona ny toby fahasalamana ahafahana mitsabo azy ara-potoana.