πππππππππ ππππππππππππ : ππππππππππ ππππβππ πππππππ ππππ π ππππππβππ π ππππππππ πππππππππ πππ
Β Β Ny zoma 26 Jolay 2024 teo no nanaovana ny fitsarana manetriketrika nametrahana anβAndriamatoa HARIMILAMINA Ainarisoa Alinariantsoa ho filohanβny fitsarana ambaratonga voalohany Antsohihy.
Β Β Ny ady aminβny kolikoly sy ny mpijirika ary ireo herisetra mianjady aminβny zaza tsy ampy taona no laharam-pahamehana napetranyβ ho tohizana ny ezaka tsara vita teo aloha aminβny fanaovana fitsarana mitety vohitra ahafahanβny vahoaka misitraka ny ZO-ny ary hisy ny famelabelaran-kevitra hatao hampahafantarana misimisy kokoa ny momba ny fitsarana. Tanjona ny fitsarana manakaiky vahoaka.
Β Β Nanontrona ny fotoana teto ny fianakaviambenβny Mpitsara eto Madagasikaraβ ny solombavambahoakanβi Madagasikara (03) voafidy aminβny Distrika Antsohihy – Bealanana – Mandritsaraβ ny PrΓ©fetβ ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Sofia, ireo Talem-paritra maro ary ny Benβny tanΓ na.
Β Β Nitondra teny fisaorana hoanβny filohanβny fitsarana teo aloha Mamy Razafindrakotoβ ireo tompon’andraikitra sy manampahefana eto Antsohihy. Ity farany moa voatendry hiasa any aminβny fitsarana ambaratonga voalohany Farafangana.