πππππππ πππππππ ππππ πππ πππ πππππππ : ππππππππ πππ π ππππ ππ ππππ π πππππππ πππππππππππ
Β Β Nisokatra androany talata 09 jolay 2024 ny fivoriana manokan’ny Antenimierampirenena. Nitarika ny fivoriana ny depiote zokiolona Rakotorahalahy Modeste, voafidy tao Mandoto, nampian’ny depiote zandriolona Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa, voafidy tao Antananarivo III.
Β Β Nahoraka tao anaty efitrano rehefa niakanakana sy sahirana ny Solombavambahoaka voafidy tao Mabdoto namaky ny teny Frantsay teo anatrehanβny mpikambana eo anivon’ny Governemanta Malagasy sy ireo solombavambahoaka namany ary ireo mpiaramiombon’antoka maro.
Β Β Betsaka ireo naneho hevitra momba azy rehefa vita ny fivorianaβ ao ireo nankasitraka taminβny fahasahiany nijoro sy nitarika fivorianaβ misy ireo avy dia nanambany sy nanakiana azy mafy. Β«Ho anay Mpampianatra, ilay βcourageβ anananβilay Olona miteny no jerena fa tsy ny βprononciationββ¦Β» hoy ny kandida solombavambahoaka Paolo Emilio Raholinarivo.
Β Β Miisa 157, aminβny 163 mandrafitra ny Antenimierampirenana, no tonga taminβny fotoam-panokafana, niala tsiny ny 5, ny 1 kosa any am-ponja dia ny solombavambahoaka Mahavitara Sylvestre voafidy tao Vangaindrano. Niantso ireo Depiote namany mba tena hisolovava marina ny vahoaka, ny depiote zokiolona nandritra ny lahateny nataony.