ππΓπ ππ πππππππππ : πππππππππππππ ππππ ππππππ πππππππππππππ ππ π ππππππππ-πππππππ
Β Β Nitondra teny fiarabana ireo solombavambahoaka ato aminβny faritra Sofia izay lany taminβny vokatra ofisialy navoakanβny HCC ny 27 Jona 2024 teo ny Lehiben’ny Prefektiora Antsohihy – Ralaivao Andriamaromaneho androany ary nisaotra ny vahoaka nanaraka ny lamina nandritra ny fifidianana.
Β Β Didy tsy azo ivalozana iny nivoaka inyβ na ireo nandresy na ireo resy dia tsy maintsy manaiky inyβ raha misy ny tsy fahafaham-po na tsy fankasitrahana ny didy dia tsy tokony ato aminβny faritra Sofia na eto Antsohihy no anehoana izany fa misy ny rafitra mahefa afaka mandray izany any aminβny HCC izay namoaka ny didy ! Aminβny maha tompon’andraikitra ny filaminana aty ifotony anay dia henonay fa mikasa hanao hetsika ireo tsy afa-po taminβiny didy inyβ koa mampandre sy mampahafantatra izahay fa handray andraikitra mifanaraka aminβizany. Mety misy ny olona manaraka anareo fa misy kosa ny olona manana ny safidy hafa ary mitady izany filaminana sy fandriampahalemana izanyβ aoka hifanaja aminβny toerana misy azy ! hoy ny Lehiben’ny Prefektiora Antsohihy nanao fanambarana niaraka taminβny OMC io maraina io.
Β Β Namafisiny PrΓ©fet fa ho raisina ho mpiray tsikombakomba izay toeram-pilanonana mampiantrano ny fihaonana hikarakarana ny hetsika tsy ara-dalΓ na sy tsy nahazahoana alalanaβ toraka izany koa ny haino aman-jery izay mivoy ny fanakorontanana miaraka aminβizy ireo. Β« Tsy namoaka didy izahay tompoko fa ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana no nanao izany koa raisinay ny andraikitra tandrify anay aminβny fitandroana ny filaminana ary miantso ny vahoaka tsy hanaiky rebirebena aminβny fanakorontanana Β» hoy hatrany ny Lehiben’ny Prefektiora.