a
FandraisanaSosialyπ€ππ“π’πŽπ‡πˆπ‡π˜ : πŒπˆπ“πŽπ‡π˜ 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 π…π€ππ€π’πŽπ€π•π€ππ€ 𝐍𝐘 π•π€π‡πŽπ€πŠπ€ π€π“π€πŽπβ€™πˆ πŠπ€π’π’πˆπŒ π€πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ 𝐀𝐍𝐉𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐋𝐀

π€ππ“π’πŽπ‡πˆπ‡π˜ : πŒπˆπ“πŽπ‡π˜ 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 π…π€ππ€π’πŽπ€π•π€ππ€ 𝐍𝐘 π•π€π‡πŽπ€πŠπ€ π€π“π€πŽπβ€™πˆ πŠπ€π’π’πˆπŒ π€πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ 𝐀𝐍𝐉𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐋𝐀

π€ππ“π’πŽπ‡πˆπ‡π˜ : πŒπˆπ“πŽπ‡π˜ 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 π…π€ππ€π’πŽπ€π•π€ππ€ 𝐍𝐘 π•π€π‡πŽπ€πŠπ€ π€π“π€πŽπβ€™πˆ πŠπ€π’π’πˆπŒ π€πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ 𝐀𝐍𝐉𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐋𝐀

Β  Β  Fanaboarana vovon-drano fisotro madioβ€š sy fanampiana ireo tra-pahasahiranana ao amin’ny kaominina Anjalazala Distrikan’i Antsohihy no tena ahafantarana an’i KASSIM. Tovolahy mpandraharaha avy ao amin’ny fokontany Andapinarosy.

Omby iray natolony ho sakafon’ireo ankizy mpianatra manala fanadinana sy mpampianatra mikarakara fanadinana CEPE tao amin’ny kaominina Anjalazala ny alatsinaina 17 Jona 2024 teo.

Β  Β  Tsapako fa maro ireo mpianatra avy amin’ny fokontany lavitra izay manatona foibem-panadinana eto Anjalazalaβ€š mety sahirana ny raiamandreny amin’ny fiatrehana izany ka manolotra izay mba vitako aho satria zava-dehibe ary iankinany ny hoavin’ny firenena sy fampandrosoana an’i Madagasikara izanyβ€š hoy izy nanolotra omby hoan’ny fianakaviamben’ny fampianarana izay natrehan’ny Ben’ny tanΓ na – Chef ZAP – Talen-tsekolyβ€š Raiamandreny maro ary mpianatra tao Anjalazala.

Hatretoβ€š 10 mahery eo ny vovon-drano fisotro madio efa vitany miaraka amin’ireo mpiaramiombon’antoka aminy ao Anjalazalaβ€š izay hitohizana ary kasaina atao manerana ny fokontany. Ankoatran’izay mandray anjara amin’ny fanohanana ireo mpianatra Zanaka Anjalazala izy ary efa misy nalefany any ivelany nanohy fianarana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment