a
FandraisanaSosialyπ€ππ“π’πŽπ‡πˆπ‡π˜ : πŒπˆπ“πŽπ‡π˜ 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 π…π€ππ€π’πŽπ€π•π€ππ€ 𝐍𝐘 π•π€π‡πŽπ€πŠπ€ π€π“π€πŽπβ€™πˆ πŠπ€π’π’πˆπŒ π€πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ 𝐀𝐍𝐉𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐋𝐀

π€ππ“π’πŽπ‡πˆπ‡π˜ : πŒπˆπ“πŽπ‡π˜ 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 π…π€ππ€π’πŽπ€π•π€ππ€ 𝐍𝐘 π•π€π‡πŽπ€πŠπ€ π€π“π€πŽπβ€™πˆ πŠπ€π’π’πˆπŒ π€πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ 𝐀𝐍𝐉𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐋𝐀

π€ππ“π’πŽπ‡πˆπ‡π˜ : πŒπˆπ“πŽπ‡π˜ 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 π…π€ππ€π’πŽπ€π•π€ππ€ 𝐍𝐘 π•π€π‡πŽπ€πŠπ€ π€π“π€πŽπβ€™πˆ πŠπ€π’π’πˆπŒ π€πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ 𝐀𝐍𝐉𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐋𝐀

Β  Β Fanaboarana vovon-drano fisotro madioβ€š sy fanampiana ireo tra-pahasahiranana ao amin’ny kaominina Anjalazala Distrikan’i Antsohihy no tena ahafantarana an’i KASSIM. Tovolahy mpandraharaha avy ao amin’ny fokontany Andapinarosy.

Β  Β  Omby iray natolony ho sakafon’ireo ankizy mpianatra manala fanadinana sy mpampianatra mikarakara fanadinana CEPE tao amin’ny kaominina Anjalazala ny alatsinaina 17 Jona 2024 teo.

Β  Β  Tsapako fa maro ireo mpianatra avy amin’ny fokontany lavitra izay manatona foibem-panadinana eto Anjalazalaβ€š mety sahirana ny raiamandreny amin’ny fiatrehana izany ka manolotra izay mba vitako aho satria zava-dehibe ary iankinany ny hoavin’ny firenena sy fampandrosoana an’i Madagasikara izanyβ€š hoy izy nanolotra omby hoan’ny fianakaviamben’ny fampianarana izay natrehan’ny Ben’ny tanΓ na – Chef ZAP – Talen-tsekolyβ€š Raiamandreny maro ary mpianatra tao Anjalazala.

Β  Β  Hatretoβ€š 10 mahery eo ny vovon-drano fisotro madio efa vitany miaraka amin’ireo mpiaramiombon’antoka aminy ao Anjalazalaβ€š izay hitohizana ary kasaina atao manerana ny fokontany. Ankoatran’izay mandray anjara amin’ny fanohanana ireo mpianatra Zanaka Anjalazala izy ary efa misy nalefany any ivelany nanohy fianarana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment