RESAKA AMBONY AMBANY TAO ANKATSO : NANAO FANAMBARANA NY FLSH‼️
Tao amin’ny FLSH (Faculté des Lettres et Sciences Humaines) no nisy olona roa nanao firaisana ara-nofo‚ izay azon’ny olona sary omaly 20 Jona 2023 tamin’ny 02 Ora Tolakandro.
Namoaka fanambarana sy momba izany androany 21 Jona 2023 ny sojabe mpisolo toerana eo anivon’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy ny siansa momba ny maha olona (FLSH) eny amin’ny oniversiten’Antananarivo fa tsy nisy voakasik’ilay raharaha horonantsary niparitaka iny na ny mpampianatra, na ny mpianatra eo anivon’ny FLSH.