a
FandraisanaFampianaranaDREN SOFIA : HIVOAKA MIALOHAN’NY FETIM-PIRENENA NY VALIM-PANADINANA CEPE⁉️

DREN SOFIA : HIVOAKA MIALOHAN’NY FETIM-PIRENENA NY VALIM-PANADINANA CEPE⁉️

DREN SOFIA : HIVOAKA MIALOHAN’NY FETIM-PIRENENA NY VALIM-PANADINANA CEPE⁉️

Manomboka rahampitso 21 Jona 2023 dia miroso sahady amin’ny fitsarana sy fikirakirana ny famoahana ny voka-panadinana ny tompon’andraikitra sy ireo mpampianatra ato amin’ny DREN Sofia. Ny farany herinandro no eritreretina hamoahana ny voka-panadinana‚ raha ny fanazavana voaray tamin’Atoa Mandimbilaza Noeriko Sylvain – Talem-paritry ny fanabeazanam-pirenena Sofia androany.

Milamina amin’ny ankapobeny ny fizotran’ny fanadinana izay nanomboka androany 20 Jona 2023 maraina teo ary hifarana ny tolakandro. 07 taona ny zandriny indrindra‚ 30 taona ( candidat libre ) kosa ny zoky indrindra amin’ireo mpiadina miisa 4638 eto amin’ny CISCO Antsohihy izay misy ivon-toeram-panadinana 17. Miisa 40 555 ny mpiadina manerana ny faritra Sofia ka ny Distrikan’i Mandritsara no betsaka indrindra amin’izany izay tafakatra hatramin’ny 9 645.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment