a
FandraisanaSosialyMAIRE NASIRY ALI : NATOLOTRA OFISIALY NY VOVON-DRANO FISOTRO MADIO SY TOERANA FANASAN-DAMBA ARY KOJAKOJA MARO HOAN’NY VAHOAKA MONINA AO ANKIRIRIKY NORD I‼️

MAIRE NASIRY ALI : NATOLOTRA OFISIALY NY VOVON-DRANO FISOTRO MADIO SY TOERANA FANASAN-DAMBA ARY KOJAKOJA MARO HOAN’NY VAHOAKA MONINA AO ANKIRIRIKY NORD I‼️

MAIRE NASIRY ALI : NATOLOTRA OFISIALY NY VOVON-DRANO FISOTRO MADIO SY TOERANA FANASAN-DAMBA ARY KOJAKOJA MARO HOAN’NY VAHOAKA MONINA AO ANKIRIRIKY NORD I‼️

Nitokanana ary natolotra ofisialy omaly 17 Jona 2023 ny vovon-drano fisotro madio sy toeram-panasana lamba hoan’ny vahoaka ao Ankiririky Nord I.

Anisany foto-piveloman’ireo vehivavy mananontena sy ireo vehivavy malelom-bady aman-janaka ny sasa lamba ary efa misy fikambanana mpanasalamba mihitsy ao Ankiririky Nord I‚ izay afaka misitraka ireto fotodrafitrasa ireto.

Ny tena Ray dia manome fitiavana sy mikarakara‚ miahy ary mitsinjo ny ho avin’ny zanany. Tsy manadino anareo aho‚ porofon’izany ireo ezaka vita ho fiahiana sy fanampiana atsika ato amin’ny fokontany Ankiririky Nord I‚ hoy Ben’ny tanàna NASIRY Ali raha nitokana ireto fotodrafitrasa ireto sady nanolotra koveta‚ sio‚ brosy‚ ary kojakoja ilain’ny fikambanana amin’ny fanasan-damba. Nomena balina ireo fikambanana mpandrafitra‚ nomena fanamiana (maillot football) ireo tanora Ambalatany sy Antanampizina.

Ankotran’ireo fanomezana efa natolotra dia hanomboka tsy hoela ny fanaboaran-dalana sy fametrahana Jiro manazava ny tanàna ao Ankiakabe sy Antanampizina ary Ambalatany amin’ireo toerana efa misy andrinjiro‚ efa mitady toerana hanorenana kabone na “WC PUBLIC” ihany koa ireo fokonolona ifotony ka ny Ben’ny tanàna no miantoka ny fanatanterahana izany rehetra izany araka ny fanazavana.

Nitondra teny fankasitrahana ireo fikambanam-behivavy mpanasa sy fokonolona ary ny Sojabe tao Ankiririky Nord 1. Efa nametrahana jiro mazava manodidina ny vovon-drano sy toeram-panasana lamba ary afaka manasa lamba amin’ny alina ny mpanasa manomboka izay mandrapahanasiana tafo ilay toerana natolotra hoampiasaina.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment