a
FandraisanaPolitikaAMPARIHY PORT BERGÉ : MIHAVA TOUR SA TGV TOUR NA MMM TOUR⁉️

AMPARIHY PORT BERGÉ : MIHAVA TOUR SA TGV TOUR NA MMM TOUR⁉️

AMPARIHY PORT BERGÉ : MIHAVA TOUR SA TGV TOUR NA MMM TOUR⁉️

Samy naneho hafaliany ireo fikambanam-behivavy niatrika ny lanonana izay nokarakarainy KB8M sy Ben’ny tanàna voafidy tao Amparihy‚ izay natrehan’ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara avy amin’ny antoko politika samihafa izay nivondrona tao amin’ny IRD taloha‚ saingy nisaraka rehefa manakaiky fifidianana.

Depiote Djaosera Irénée anisany mpitarika MIHAVA TOUR ato amin’ny faritra Sofia‚ Depiote Volahaingo Marie Thérèse avy ao amin’ny MMM ary Rabeamina Olivier dit Lekarany mpitarika TGV ao Port Bergé‚ mpanolotsaina ny Depiote voafidy tao Mahajanga sady VPAN no nanontrona izany ary tsy nanisy elanelana fa nifampitakosona tanteraka.

Nanaitra ny maro ihany ny fahitana ny “Banderole” misy soratra TGV mivandravandra nefa ireo vehivavy misalotra ny ankanjo Siteny – Mihava Tour no manaraka azy. Kisendrasendra sa mbola iray ao anaty IRD ihany ny TGV sy Mihava Tour ary MMM ? hoy ny sasany mametra-panontania. Ny sasany kosa milaza fa tsy misy idirany fa fetim-behivavy no natao tany fa tsy raharaha politika.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment