a
FandraisanaVaovaom-paritraFLM ANTSOHIHY : NIRAVONA AMIN’NY AMPAHANY NY DISADISA▪️AHIANA NY HISIAN’NY FISARAHAN’NY FIANGONANA HO ROA‼️

FLM ANTSOHIHY : NIRAVONA AMIN’NY AMPAHANY NY DISADISA▪️AHIANA NY HISIAN’NY FISARAHAN’NY FIANGONANA HO ROA‼️

FLM ANTSOHIHY : NIRAVONA AMIN’NY AMPAHANY NY DISADISA▪️AHIANA NY HISIAN’NY FISARAHAN’NY FIANGONANA HO ROA‼️

Tontonsa ny alahady 11 Jona 2023 teo ny lanonana famindram-pitantanana teo amin’ny Pasitora Davida sy Pasitora Eugène Bernard‚ izay vaovao hisolo azy hitantana ny fileovana Antsohihy. Nanaiky ny fandaminana ny hiala amin’ny trano ihany koa ny Pasitora izay nodimbiasina saingy re araka ny loharanom-baovao dia mikasa hanatanteraka fitoam-pivavahana amin’ny toeran-kafa eto Antsohihy i Pasitora Davida sy ny mpiaradia aminy ny alahady 18 Jona 2023 izao‚ raha manomana fandraisana ofisialy sy mitalakotrokotroka ny Pasitora vaovao ao amin’ny FLM Anjiabe Antsohihy kosa ny ankilany. Hisy ny nofon-kena mitam-pihavanana mihitsy manomboka ny sabotsy 17 sy alahady 18 Jona 2023 io‚ ao amin’ny FLM Anjiabe raha ny vaovao voarainay.

Milamina amin’ny ampahany araka izany raharaha ary efa amperinasa ny Pasitora vaovao izay tonga nitsidika sahady ny fiangonana FLM ao Anahidrano‚ izay ho asim-panatsarana sy ho avaozina tanteraka.

Amin’ny ankapobeny dia nandiso ny fanambarana nataony andaniny ireo mpiaradia sady manohana ny Pasitora vaovao‚ ary nilaza fa fitondran-tenan’ilay Pasitora teo aloha no voalaza ho nanosika azy ireo nanao fitarainana ary nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny KSP (Komity Synodam-paritany) izay ivondronan’ireo lohandoham-pisorona ao amin’ny fiangonana FLM aty ifotony‚ nanapa-kevitra tamin’ny famindrana ilay Pasitora.

Atoato dia hisy ny tafika masina ho ataon’ireo Kristianina FLM Antsohihy‚ hamerenana indray ireo efa niverin-dalana noho ny rivotra nandalo.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment