a
FandraisanaSosialyGOMABE MAMPIKONY : FIHAVANANA NATAO LAKILE▪️NITALAKOTROKOTROKA NY FIHAONAMBEN’NY FIKAMBANANA‼️

GOMABE MAMPIKONY : FIHAVANANA NATAO LAKILE▪️NITALAKOTROKOTROKA NY FIHAONAMBEN’NY FIKAMBANANA‼️

GOMABE MAMPIKONY : FIHAVANANA NATAO LAKILE▪️NITALAKOTROKOTROKA NY FIHAONAMBEN’NY FIKAMBANANA‼️

Nifamotoana tao amin’ny tranon’ny filoham-boninahitry ny fikambanana GOMABE ny sabotsy 10 Jona 2023 teo ireo fokonolona anarivony‚ niatrika ny fihaonambe voalohan’ny fikambanana GOMABE‚ izay misandrahaka amin’ny kaominina 11 mandrafitra ny Distrikan’i Mampikony faritra Sofia.

Fikambanana iraisan’ny vahoaka ato amin’ny Distrikan’i Mampikony izay resilahatra fa ilaina tokoa ny fitambarana sy fihavanana ary fifankatiavana ny GOMABE. Tsy hanavahana antoko politika fa FIHAVANANA NATAO LAKILE‚ amin’ny fampandrosoana sy famahana olàna ifotony. Tanjona ny hisiany fifandraisana amin’ny maha samy zanaky Mampikony izay hiitatra manerana ny faritra Sofia‚ ho fanamasina ny fitambaran’ny zanaky ny faritra ho iray tsy mivaky amin’ny fandraisana andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina‚ hoy Andrimpirenena‚ filoham-boninahitry ny fikambanana raha nankasitraka ireo mpikambana tonga maro namaly antso sy naneho firaisankina tamin’ity fotoana ity.

Tovolahy zanaka Mampikony faritra Sofia‚ manam-pahaizana momba ny lalàna ary mitana andraikitra ao amin’ny fitsarana ambony Mahajanga (Cours d’Appel) izy ankehitriny raha efa lehiben’ny fampanoavana tao Maintirano taloha sady mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo.

Nanome voninahitra ny fotoana ity ny Sojabe an-tanàna‚ ny Ben’ny tanàna voafidy tao Mampikony sy ireo Ben’ny tanàna avy amin’ny kaominina manodidina ao amin’ny Distrikan’i Mampikony‚ ireo tompon’andraikitra maro‚ lehiben’ny sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ary ireo fianakavian‘Atoa filoham-boninahitry ny fikambanana GOMABE.

Nanafana ny lanonana niaraka tamin’ny zava-maneno raitra sady anisany goavana ao Mampikony i LEWAPY mpihira vohisondrotra sy efa fanta-daza amin’iny faritra iny‚ izy rahateo avy any. Tapaka fa atao any amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasimatera ny fihaonambe GOMABE 2024.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment