a
FandraisanaVaovaom-paritraNOSY-BE : TOMPONY MANIRY NY ATINY NY VAHOAKA IFOTONY FA ANTANANARIVO NO MIBAIKO NY ZAVA-DREHETRA⁉️

NOSY-BE : TOMPONY MANIRY NY ATINY NY VAHOAKA IFOTONY FA ANTANANARIVO NO MIBAIKO NY ZAVA-DREHETRA⁉️

NOSY-BE : TOMPONY MANIRY NY ATINY NY VAHOAKA IFOTONY FA ANTANANARIVO NO MIBAIKO NY ZAVA-DREHETRA⁉️

Nivory naneho ny alahelony sy tsy fankasitrahana ny fandroahana azy hiala ao Ampasindava‚ Nosy Sakatia – Nosy-Be ny vahoaka monina sy nipetraka ela tao. Raha ny fantatra mantsy dia nahofan’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny Orinasa iray avy any Antananarivo ny tany 17Ha‚ 34A 81Ca ao Ampasindava Nosy Sakatia ity‚ Ariary zato isaky ny metatra tora-droa (100Ar/m²) isan-taona ny ofanan’izany mandritra ny 50taona‚ raha ny loharanom-baovao.

Toerana mahafinaritra‚ mahasarika mpizahatany‚ manana tora-pasika sy ranomasina madio ary anisany toerana fanatodizan’ireo “tortue de mer” ao Ampasindava. Ankoatrizay dia nilaza ny hametraka fotodrafitrasa goavana momba ny fizahantany ao amin’ny Nosy Sakatia ihany koa ny fitondram-panjakana.

Tsy malaina fampandrosoana izahay sanatria‚ fa tsy mankasitraka ny fandroahana anay eto amin’ny toeram-pivelomanay izay nisy anay hatrizay. Aiza no alehanay? hoy ireo vahoaka maneho ny alahelony kanefa atody hiady amim-bato ihany izy ireo satria efa misy taratasy voalaza fa maniraka ireto vahoaka mihoatra ny 80 ireto hiala ao amin’ilay Nosy nisy azy hatrizay.

Tsy mbola nisy sahy nipoitra ireo Orinasa voalaza fa nahazo ilay tany‚ fa ireo sampandraharaha sy solontenam-panjakana ifotony no amporisihany handroaka ireto vahoaka ireto hiala ao.

Raha ny zava-misy matetika dia baiko midina avy any Antananarivo no mamaritra sy manome tany olona na Orinasa na vahiny mila izany‚ matetika tsy raharahiany na efa misy olona na eny na efa misy taratasy aza indraindray mbola sahin’ireo ravaina an-keriny ihany ny tanin’olona‚ tsy mahagaga raha lasany vazaha sy mpanambola avy any anivon-tany avokoa ny tany Tsaratsara rehetra amin’ny faritany. Inona moa tsy vitan’ny vola Ankoatra ny famerenana fofon’aina sy fiverenana amin’ny fahatanorana na famerenana ny tanjaka ara-batana hoan’olona efa nahazo taona ka manomboka malemy raha eto Madagasikara no resahina ? hoy ny olom-pirenena maneho ny heviny.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment