PORT BERGÉ : MANOMBOKA NY FANAMBOARANA NY BIRAON’NY SAMPANDRAHARAHA MISAHANA NY MPONINA‼️
Orinasa MANENJIKA avy any Antananarivo no manao ity fotodrafitrasa‚ trano mirefy 17m/12m hatao Biraon’ny sampandraharahan’ny mponina ao Port Bergé ity.
Tonga nametraka vato fototr’izany ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Port Bergé – Atoa Velontsara Paulbert. Nisy Joro natao mialoha ny fanombohana ny asa mba handeha antsakany sy an-davany ny asa fanamboarana fotodrafitrasa izay fananam-bahoaka.
Nitondra teny fankasitrahana ny Minisitra Soafilira Princia sy fitondram-panjakana tarihin’ny filoha Andry Rajoelina ary ny Solombavambahoaka Paulbert ny vahoaka.