a
FandraisanaVaovaom-paritraFIARA CRAFTER NISY NANDRAVA AN-KERINY TAO ANTANANARIVO ‼️

FIARA CRAFTER NISY NANDRAVA AN-KERINY TAO ANTANANARIVO ‼️

FIARA CRAFTER NISY NANDRAVA AN-KERINY TAO ANTANANARIVO ‼️

Nambanan’ireo tsy mataho-tody BASY teo amin’ny tendany ilay rangahy mpamily sady tompon’ity Fiara CRAFTER mitondra laharana 7683 ME miasa manao zotra TANA – MAHAJANGA ao amin’ny Koperativa KOFMAD ity‚ rehefa nihazao ny lalam-baovao miala avy eo 67Ha ho any amin’ny Gare Routière MAKI Andohatapenaka‚ hamonjy fifanarahana amin’ny fitondrana Razana hianavaratra‚ izay voalaza fa alaina eny Ivato ny sabotsy 03 Jona 2023.

Nosaroman’ireo olon-dratsy lamba ny lohany ary nosafoina tamin’ny mosoara ny orony ka nahita tselatra izy no tsaroany farany. Tsy nahatsiaro tena raha tsy efa izy teny Ambodivona‚ nisy nanary ary tsy hitany intsony ilay fiara araka ny fanazavana.

Manao antso avo sy fanampiana ary tolo-tànana araka izany ity mpamily sady tompon’ny fiara very ity‚ mba hiantso sy hampita vaovao amin’ny laharana : 033 08 758 11 – 034 06 701 65 izay mahita izany na manam-baovao.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment