a
FandraisanaTantaram-pirenena29 MARTSA 1947 : FENO 76 TAONA ILAY RÀ MANDRIAKA SY FATIN’OLONA TIA TANINDRAZANA NIAMPATRAMPATRA TETO MADAGASIKARA‼️

29 MARTSA 1947 : FENO 76 TAONA ILAY RÀ MANDRIAKA SY FATIN’OLONA TIA TANINDRAZANA NIAMPATRAMPATRA TETO MADAGASIKARA‼️

29 MARTSA 1947 : FENO 76 TAONA ILAY RÀ MANDRIAKA SY FATIN’OLONA TIA TANINDRAZANA NIAMPATRAMPATRA TETO MADAGASIKARA‼️

Sarin-tsarim-pahatsiarovana sa tena fahatsiarovana tokoa ny zava-misy ankehitriny ‚ toa zary ho fahazarana mantsy ny fanaterana fehezam-bonikazo eny amin’ny kianjan’ny MAHERY FO izay misy isaky ny Distrika eto Madagasikara.

Raha tsiahivina ny tantara dia nijoro noho ny fandevozana efa lalim-paka ireo mpitarika fiarahamonina ‚ ireo Ray aman-dReny sy ireo tanora mba ho fanavotana an’i Madagasikara sy taranaka Malagasy ‚ hiala eo ambany fanandevozana nataony frantsay . Tamin’izany no nisy izany asa an-terivozona sy filanjana vazaha mandeha tongotra lavitra ary fanandevozana tsy nitarafana maha olona fa noraisina toy ny omby na ireo biby mahalala baiko ny Malagasy araka ny tantara.

Nijoro nanohitra ‚ nitabataba ‚ nangataka fahafahana tahaka ireo mitabataba noho ny fahapotehany sehatr’asa fihariana lavanila sy fahapotehany lalana amin’izao fotoana fa tsy nahazo ny rariny ka niha nafana izany ary nifara tamin’ny rà mandriaka sy faty nikarakara ‚ niampatrampatra eran’i Madagasikara noho ny tolona.

Nampiavaka ny fitakiana tamin’izany ‚ ny fanajan’ny Malagasy ny soatoavina ‚ fifankatiana ‚ firaisankina no hery ‚ firaisantsaina ‚ fifampitokisana ary fitiavana Tanindrazana ‚ fitsinjovana ny hoavin’ny taranaka Malagasy izay hiaina eto Madagasikara.

Malagasy maro no lavo tamin’izany ‚ aina fofon’aina an’alina maro no nafoy ka tsy maty am-poin’ny taranaka Malagasy izany . 76 taona lasa izay nisiany tolona mahery vaika ‚ 63 taona nahazahoana fahaleovantena amin’ity taona 2023 fa mbola miady mafy amin’ny fahantrana ny Malagasy ‚ ny harena saro-bidy mivoaka antsokosoko ‚ ny eto an-tanàna miova vy tampoka fa tsy misy tohiny ny raharaha fa ampanginina tanteraka ? ny sakafo hoanina aza afarina avy any ivelany…

Iza no andrasana hanarina sy hanavotra ity Madagasikara ity ?

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment