12 JANOARY 2023 : TANY ANTSIRABE NIARAKA TAMIN’IREO MPIANATRA HO MANAMBONINAHITRA NY MINISITRY NY FIAROVAM-PIRENENA
Tsaroana isan-taona ny fidiran’ireo mpianatra ho manamboninahitra voalohany tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ny 12 Janoary 1967 . Nomena lanja manokana eo anivon’ny Tafika Malagasy io daty io mba ho fahatsiarovana sady natokana ho Andron’ireo Manamboninahitra Malagasy.
Ny manamboninahitra zandriny indrindra no tompon’ny fibaikoana rehefa tonga ny fanamarihana io daty io ka nisafidy ny hiaraka tamin’ireo mpianatra ho manamboninahitra ao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ny Jeneraly Rakotonirina Richard ‚ Minisitry ny Fiarovam-pirenena androany 12 Janoary 2023 ‚ niaraka tamin’ireo manamboninahitra ambony namany ‚ izay mitana andraikitra ambony amin’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena eto Madagasikara ka anisany tazana niaraka taminy tamin’izany ny Jeneraly Lylyson René de Rolland ‚ izay Gouverneur Faritra Sofia ankehitriny.