08 MARTSA PORT BERGÉ : VARY FOTSY AMIN’NY GONY SY OMBY MATAVY NATOLOTRY BEN’NY TANÀNA ADOLPHE NO HIARAHAN-KOMANA
Mipetrapetraka ny lamina amin’ny fanamarihana ny andro manerantany hoan’ny vehivavy ao Port Berge . Nanolotra omby matavy sy vary amin’ny gony maro ‚ hiarahan-komana sy nofon-kena mitam-pihavanana hoan’ireo vehivavy ‚ ny Ben’ny tanàna Adolphe Fiarema .
Fotoana izay afahan’ny vehivavy miaraka mifaly sy fanehoana firaisankina amin’ny fahavonona hiatrika fiainana sy hisainany ary hitondrany anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina ny 08 Martsa ka rariny raha tohanana izy ireo ‚ hoy ny fanazavana.