πππ πππππππππ : πππ ππππππππππππ βπππππππππππβ ππππππππππ πππππππ ππ πππ πππππππ π ππ ππππππππ
Β Β Napiaka-peo ny mpikambana eo anivonβny TGV Bealananaβ manoloana ny taratasy fanendrena βcoprΓ©sident TGVβ miparitaka ao an-toerana. Nambaranβizy ireo fa manakorontanaβ tsy ilaina ny fametrahana izany no tsy laharam-pahamena ka takianβizy ny famoanana io taratasy fanendrena Io.
Β Β Tsy misy fanajanaβ tsy nisy fampahafantarana anay mpikambana efa 05 taona tato aminβny TGV io fanendrena io. Raha tiana ny hampisy filaminana sy fangaraharana aminβny fitantanana ny antoko dia tokony mba nisy fampahafantarana na fifidianana nataoβ hoy ireo mpikambana tsy mankasitraka ny fanendrena anβny Solombavambahoaka voafidy ao an-toerana izay notendrena tampoka ho filohanβny TGV miaraka aminβingahy Benβny tanΓ na Bealanana (coprΓ©sident).
Β Β Nanambara izy ireo fa tsy mandΓ ny fiarahamiasa fa ny fanomezana tsinontsinona ny mpikambana ary tsy fanarahana ny lamina misy ao anaty antoko ny tsy ekenβizy ireoβ ka mitaky famoanana ny taratasy fanendrena ary miantso ny filoha nasionaly TGV hijery akaiky sy andinika ny tranga misy ao an-toerana.
Β Β Raha ny angom-baovao voarainay dia nisisika mafy ho kandida IRMAR ny solombavambahoaka voafidy ao an-toerana io fony mbola kandida fa tsy nahita rirany taminβny mpiatantana TGV aminβny faritaninβi Mahajanga saingy izao napetraka ho filoha mpitarika TGV miaraka aminβny filoha am-perinasa izay kandida ho solombavambahoaka tao ihany koa fa tsy lany.